Toko faha 12

1 De nisy famantarana agnona be no hita tan-danitra tagny : viavy nagnatao masoandro, de ny volana tambanin’ny tongotrany, sady nisy satro-boninahitra vita tamin’ny kintagna roy ambin’ny folo tamin’ny lohany. 2 Bevohoka izy, sady nihoaika mafy fa efa ho teraka, azon'ny efa magnifa-kibo. 3 Avy eo de nisy famantarana hafa koa niseho tan-danitra: Igny an! Nisy dragona mena ngejabe nanagna loha fito sy tandroka folo, sady nisy satro-boninahitra fito tamin'ny lohany. 4 Ny rambogny de nifaoka ny ampahatelon'ny kitagna tamin'ny lanitra de natsipiny tamin’ny tany. Avy eo de nitsangana talohan’ny viavy efa ho teraka igny teo i dagona igny, hihinagna ny zanagnany raha vantany vô teraka. 5 Niteraka zaza lilahy izy, zay hanapaka ny firenena marobe miaraka amin’ny tangala vy. Ny zanagny de nalaina nalaky ho agny amin’Andriamanitra sady ho amin’ny seza fiandrianany, 6 de nilefa viavy igny nandeha amin’ny tany maigna tsisy olona, sady efa nisy pilasy nomagnin’Andriamanitra ho an’azy, ka de ho vôkarakara mandritran’ny 1260 andro agny izy. 7 De nisy ady tan-danitra tagny. Mickaela mban’ny anjeliny de niady tamin’ny dragona ; de ny dragona mban’ny anjeliny namaly ady. 8 Fa tsy de natanjaka ny dragona ka resy. Ka de tsisy pilasy ho an’azy mban’ny anjeliny koa tan-danitra tagny. 9 Ny dragona agnona be igny _zay menaragna taloha nantsovana hoe devoly na satana, ny namitaka an’izao tontolo izao _ de natsipy tambonin’ny tany, de ny anjeliny de natsipy miaraka tamin’azy. 10 Aveo de naregny feo mafy tan-danitra ho : « Amin’izao de tongan'ny famonjena, ny hery, ny fanjakan’Andriamanitrantsena mban’ny fahefan’ny Kristiny. Fa ny magnampanga ny rahalahintsena de natsipy tambany tagny, ny raika zegny magnampanga an’iary zareo magnalignandro agnatrehan’Andriamanitrantsena. 11 Iary zareo de nandresy avy tamin’ny ràn’ny Zanak’ondry mban’ny teny fijoroan’iary zareo vavolombelona, fa tsy nankamamy ny fiaignanany koa iary zareo ndre de ho faty aza. 12 Avy amin’izany, mifalea, anareo ry lanitra, mban’ny zegny mipetraka amin’Azy ao. Feno havignirana izy, azon’ny fantany manko fa bitaka ny fotoana hanagnany. 13 Ndreka nahalala ny dragona fa nalavo tamin’ny tany izy, de nagnanjaka ny viavy niteraka zaza lilahy izy. 14 Fa ny viavy igny de nomena elatra roin’ny voromahery agnona be, ka de afaka nagnembogna nandeha amin’ny pilasy nikarakaraina ho an’azy tamin’ny tany tsisy olona tagny. Io ny pilasy hitsinjovana an’azy, agnatin’nytelo taona sy tapany_ mba tsy hitan’ny menaragna. 15 Namoaka rano kara tegnarano tamin’ny vavany ny menaragna igny, zay hifaoka ny viavy igny. 16 Fa ny tany nagnampy an’ny viavy igny. Nivohain’ny tany ny vavany de natelignany ny riaka navoakan’ny vavan’ny dragona igny. 17 De vignitra tamin’ny viavy igny ny dragona de nenga sady niaragna ady tamin’ny ambin’ny taranagny io, zay mankàto ny didin’Andriamanitra sady mitagna ny fijoroana vavolombelona momba an’i Kristy. 18 Aveo de nitsangana tambonin’ny fasikan’ny ranomasina ny dragona igny.