Toko faha 8

1 Ndreka nandrorogna avy tan-tendrombohitra Jesôsy, de nisy fokonolona maro nagnaraka an'Azy. 2 Igny, nisy boka raika nagnatogna an'Azy sady nenkohoka talohany, nizaka hoe: "Tompo, na mety Aminao, de afaho aho." 3 Nagnampatra ny tagnàny Jesôsy sady nikasika an'azy, de nizaka hoe: "Mety Aminaha. Madiova. " Tampotampoka de afaka tami'ny fabokany izy 4 De nizaka tamin'azy Jesôsy hoe: "Tandremo tsy hizaka na ino na ino na amin'iza na amin'iza anao. Mandiana amin'ny làlagnanao, ka atoroy amin'ny mpisorona ny tegnanao de atero ny fagnatitra zegny nagnafaran'i Mosesy, mba ho fitsanganana vavolombelona amin'izany. 5 Ndreka niditra ta Kapernaomy Jesôsy, de nisy kapiteny raika nagnantogna an'Azy sady 6 nagnano tamin'Azy hoe: "Tompo, mandry an-dragno ao ny mpiasako fa malemy sady agnatin'ny fanaintaignana mafy." 7 De nizaka tamin'azy Jesôsy hoe: "Ho tonga Aho sady hagnasitragna anazy." 8 De namaly i kapiteny sady nizaka hoe: "Tompo, tsy magneva hidiranao an-dragnoko ao, fa zakay fotsiny ny raha zakainao de ho afaka ny mpiasako. 9 Fa izaho de lilahy napetraka ambany fahefana my koa, sady managna maramila feheziko aho. Mizaka amin'ny raika aho hoe: 'Mandihana', de mandeha izy, de amin'ny hafa koa hoe: 'Malaky aty,' de magnatogna izy, na amin'ny mpiasako hoe: "Amboary zao,' de amboariny zany." 10 Ndreka naregny an'izany Jesôsy, de gaga Izy sady nizaka tamin'ny zegny nagnaraka an'Azy hoe: "Zakaiko marina aminareo, fa tsy mbola nahita olona nanam-pinoana karan'izany Aho tamin'Israely. 11 Zakaiko aminareo, fa maro ny avy agny antsignianana mban'ny avy andrefana ho tonga, ka iary zareo de hipetraka ambon'ny latabatra miaraka amin'i Abrahama, de Isaka mban'iary Jakôba, agny amin'ny fanjakan'ny lanitra. 12 Fa zegny zanaky fanjakana de hatsipy amin'ny izigna ambelagny lavitra agny, agny hisy ny fitomagniana mban'ny fiadia-nify." 13 De nizaka tamin'i kapiteny igny Jesôsy hoe: "Mandiana! araka ny ninoanao, de Ôka ho tonga aminao zany." De afaka tamin'io lera io mihitsy ny aretignan'ny mpiasa. 14 Ndreka niditra tan-dragnon'i Petera Jesôsy, de nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry narikoditra Izy. 15 Nikasihin'i Jesôsy tagnàny, de negna taminazy ny arikoditra. De nitsangana izy ka nanomboka nagnome hanina an' Azy. 16 Ndreka alina andro, de maro nifatoran'ny devoly nandaon'ny olona tamin'ny Jesôsy. Nizaka fotsiny Izy de nenga fagnahy io sady nagnafaka olona marobe zegny narary. 17 Karan'izany nahatanteraka ny raha nizakaina tamin'Isaia mpaminany, nagnano hoe: "Ny vatategnany nagnala ny faharariantsena sady nitondra ny aretignantsena." 18 Ka ndreka nahita ny fokonolona magnodidigna an'Azy Jesôsy, de nagnatoro hevitra mba hifindra ho agnilan'ny ranomasina Galilia Izy. 19 Aveo nisy mpanora-dalàna raika nagnatogna an'Azy ka nagnano hoe: "Mpampianatra ô, hagnaraka Anao aho na aiza na aiza andiananao." 20 Namaly anazy Jesôsy hoe: "Ny amboahady manan-davaka, de ny vorognan'ny lanitra managna songiny, fa ny Zanak'Olona tsy managna ny raha ampandrena an'ny lohany." 21 Nisy raika hafa tamin'ny mpianatra nizaka Taminazy hoe: "Tompo, avelay eky aho andea andevigna an'ny iabako." 22 Fa nizaka taminazy Jesôsy hoe: "Magnaraha Anaha, ka avelay ny maty andevigna ny maty aminazy." 23 Ndreka niditra tagnaty lakana Jesôsy, de nagnaraka Anazy niditra koa ny mpianatrany. 24 Igny, nisy agnina mafy be tan-dranomasina, ka de feno ny onja ny lakana. Fa nahazo tory Jesôsy. 25 Nagantogna Anazy ny mpianatra sady namoha Anazy, de nizaka hoe: "Vonjeo atsena, Tompo; ho faty atsena!" 26 De namaly an'iary zareo Jesôsy hoe: "Nagnino anareo na matahotra, a tsy ampy finoana?" De nitsangana Izy sady nizaka mafy ny agnina mban'ny ranomasina. De nilamina be avy teo. 27 Gaga ny lilahy marobe ka nizaka hoe: "Fa karazagna lilahy magnano akory lôtra ty, fa ndre de ny rivotra mban'ny ranomasina de magneky Anazy?" 28 Ndreka tonga tagnilany sy tamin'ny tanànan'ny Gadarenesa tegny Jesôsy, de nisy lilahy roy nifatoran'ny devoly nifankanepaka TaminAzy. Iary zareo de nivoaka avy tam-pasagna sady tena nagnadary, ka tsisy mpandea afaka nandalo tamin'izany làlana zany. 29 Igny, nihoaika mafy be iary zareo sady nizaka hoe: " Ka ino ma raha ifandresanay Aminao, a Zanak'Andriamanitra? Tonga hampijaly anay alohan'ny fotôna vôtondro ma Anao an? 30 Ka nisy andian-dambo maro nihinagna takeky teo, tsy de lavitra an'iary zareo. 31 Mbola nengavy an'i Jesôsy my ny devoly ka nagnano hoe: "Ndreka mandrôka anay Anao, de alefaso agnatin'io andian-dambo io anay." 32 De nizaka tamin'iary zareo Jesôsy hoe: "Mivoaha!" De nivôka ny devoly ka nandea tamin'ny lambo; ka de, nirifatra aby izy maro be nandrorogna ny tendrombohitra mideza nandea an-dranomasina ka maty tagnaty rano aby izy maro be . 33 Ndregny nikarakara an'ny lambo io de nihazakazaka sady niakatra tan-tanàna iary zareo ka nitantara ny raha maro be, indrindra ny raha niseho tamin'ny lilahy nifatoran'ny devoly. 34 Igny, fa nivôka aby tan-tanàna maro be mba hihaogna amin'i Jesôsy. Ndreka hitan'iary zareo Izy, de nangataka an'Azy mba hiala ny faritanin'iary zareo.