Toko faha 2

1 Tafaran'ny nahaterahan'i Jesôsy ta Betleheman'i Jodia tamin'ny andron'i Herôda mpanjaka, de tonga tagny Jerosalema ny lilahy manam-pahalalana avy agny atsignanana nizaka hoe: 2 "Aza ma i Mpanjakan'ny Jiosy vô teraka zany? Fa nahita ny kintana tegny atsignanana manko anay de tonga mba hidera an'Azy." 3 Ndreka naregny an'izany Herôda mpanjaka, de nangorohoro izy, amban'ny Jerosalema maro be niaraka taminazy. 4 Nandaon'i Herôda niaraka taminazy ny leben'ny mpisorona marobe amban'ny mpanora-dalànan'olona, de nagnotany an'iary zareo izy hoe: "Ka aza ma nahaterahan'i Kristy?" 5 De namaly iary zareo hoe: "A Betleheman'i Jodia, fa izao vôsoratran'ny mpaminany hoe: 6 "Fa anao, Betlehema, agny amin'ny tanin'i Joda, de tsy bitaka loatra amin'ny mpitondra an'i Joda, fa avy aminao ny hatongavan'ny mpanapaka zay hiambina ny Israely oloko." 7 De nagnatso mangingina an'iary zareo lilahy manam-pahalalana i Herôda mba hagnontany an'iary zareo mazava tsara ny fotôna nivoahan'ny kintana. 8 Nampandianiny tagny Betlehema iary zareo, magnano hoe: "Mandiana de hadikadio tsara ny momba ny zaza. Ka ndreka hitanareo izy, de ampandrigneso aho, mba afahako mandeha agny my koa mba hiderako an'azy." 9 Tafaran'ny narignesan'iary zareo an'ny mpanjaka, de nandeha tamin'ny làlagnany iary zareo, ka ny kintana hitan'iary zareo avy tatsignanana no nitarika an'iary zareo mandram-pitongavany tamin'ny tragno nisy an'ny zaza. 10 Ndreka nahita ny kintana iary zareo, de faly be. 11 Ndreka niditra tan-dragno iary zareo de nahita an'ny zaza niaraka tamin'i Maria endriny. De niankohoka sady nidera an'azy iary zareo. Ka namoha ny fasena ny fanagnany iary zareo de nagnome fagnomezana volamena, dintin-kazo magnitra amban'ny miora ho an'azy. 12 Ndreka nampitandremin' Andriamanitra tamin'ny nofy iary zareo mba tsy hierigna agny amin'i Herôda, de nandeha làlan-kafa iary zareo namonjy an'ny firenena nisy an'azy aby. 13 Ndreka dila iary zareo, de nisy anjelin'ny Tompo nivôka tamin'i Josefa tamin'ny alalan'ny nofy ka nizaka hoe:" Mifoaza, andosy ny zaza amban'ny endriny, de milefasa agny Egypta. Mipetraha agny mandra-pizakako aminao, fa i Herôda de miharagna an'ny zaza hovonina." 14 Tamin'igny alina igny my Josefa de nifoha ka nitondra an'ny zaza amban'ny endriny nandeha agny Egypta.Nipetraka tagny izy mandra-pahafaty an'i Herôda. 15 Izany de nagnatanteraka gny raha nizakain'ny Tompo tamin'ny mpaminany hoe: "Nantsovako hiala tagny Egypta ny Zanako." 16 Avy eo, ndreka fantany Herôda fa vôfitakan'ny lilahy manam-pahalalana izy, de vignitra be. De nampamono ny zaza lilahy maro be roy taona mandrorogna tao Betlehema amban'ny faritra maro be izy, araka ny fotôna zay nadihadiany mazava tamin'ny lilahy manam-pahalalana. 17 De tanteraka ny raha nizakainy tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany hoe: 18 "Nisy feo regny tagny Rama, fitomagniana amban'ny fisaonam-be, nitomagny noho ny amin'ny zanagny i Rahely, ka tsy nety nampanginina izy, satria efa maty aby ny zamadinika." 19 Ndreka maty i Herôda, de nisy anjelin'ny Tompo nivôka tamin'i Josefa tagny Egypta tamin'ny nofy de nizaka hoe: 20 "Mifohaza de andosy ny zaza amban'ny endriny de mandiana agny amin'ny tanin'Israely, fa efa maty ny olona nifofogna an'ny aignan'ny zaza." 21 De nifoha Josefa, ka nandaony ny zaza amban'ny endriny, de nande tagny amin'ny tanin'Israely. 22 De ndreka regniny fa i Arkelaosy no nanjaka tagny Jodia nisolo an'i Herôda iabany, de natahotra ny ho agny izy. Tafaran'ny nampitandreman'Andriamanitra an'azy tamin'ny nofy, de nandea tagny amin'ny faritran'i Galilia izy, 23 ka nimpetraka tamin'ny tanàna atao hoe Nazareta. Izany de nagnatanteraka gny raha nizakaina tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: "Nazarena no hagnatsovana an'Azy."