Toko faha 17

1 Enin'andro taty afara Jesôsy de nangala an'i Petera, Jakoba mban'ny Jaona ampirahalahy amin'Azy mba hiaraka amin'Azy, sady nitondra an'iary zareo niakatra tatendrombohitra agnambo tamin'ny tegnan'iary zareo. 2 Niova endrika tamason'iary zareo Izy. Namirapiratra karan'ny masoandro ny tarehiny, de ny fitafeny namirapiratra kara ny hazavana. 3 De niseho tamin'iary zareo Mosesy izy amin'i Elia nikoragna tamin' Azy. 4 Namaly Petera de nizaka tamin'i Jesôsy hoe: Tompo tsara amintsena ny eto. Naha ekenao, de hagnano fialofana telo ho antsena eto zaho, ny raika ho anao ny raika ho an'i Mosesy, de ny raika ho an'i Elia." 5 Ndreka mbola nizaka Izy, de, nisy rahogna mazava nandrakotra an'iary zareo, de, nisy feo nivôka avy tamin'ny rahogna, nizaka hoe: "Itiky ny Zanako malalako, izay tena teko. Teno Izy." 6 Ndreka regniny mpianatra zany, de lavo iary zareo sady vaka mafy. 7 Aveo de tonga Jesôsy ka nikitika an' azareo sady nizaka hoe: "Mitsangana de aza vaka." 8 Aveo de nijery agnambo iary zareo fa tsy nahita an'iza an'iza afa-tsy Jesosy raika my. 9 Nreka nandrorogna ny tendro mbohitra iary zareo, de nandidy an'azareo Jesôsy, nizaka hoe: Aza mikorana ny fahitan'izao na amin'iza na amin'iza mandram-pitsangan'ny Zanak'Olona tamin'ny maty. 10 Nagnotany an'Azy ny mpiananany nizaka hoe: "magnino ma ny mpanora-dalàna no mizaka fa Elia de tsy metsy ho tonga aloha?" 11 Namaly Jesôsy de nizaka hoe: "Elia de hoavy tokôtra sady hagnerigna amin'ny lôniny ny raha marobe. 12 Zakaiko aminareo nefa, fa efa tonga Elia, fa iary zareo no tsy nafatatra an'azy. Mifanohitra amin'ny zany, nagnano raha marobe zay teny natao tamin'iary zareo. Sady kara an'zany my koa, ny Zanak'Olona my koa de hijaly eo atagnan'iary zareo. 13 Aveo de azon'ny mpianatra fa nizaka ny momba an'i Jaona mpagnano batisa Izy. 14 Ndreka tonga teo amin'ny fokonolona iary zareo, de nisy lilay raika nagnatogna an'Azy, de nandohalika talohany teo, sady nizaka hoe, 15 "Tompo, managna famindram-po amin'ny zanako lilay va anao? tratra boloka mako izy ao de mijaly mafy. Matetika lavo agnaty afo sady agnati rano izy. 16 Nandosiko tamin'ny mpianatra izy, nefa tsy afaka nagnasitrana an'azy iary zareo." 17 Namaly Jesôsy de nizaka hoe: Ry taranaka tsy mpino sady ratsy fagahy, madra-paovena no tokony hipetrako miaraka aminareo? Mandra-paovena no tsy metsy dignasako miaraka aminareo? Atero aminaha izy." 18 Ny zakainy Jesôsy mafy ny devoly, de nivôka tamin'azy ny devoly ka nahafaka tamin'ny lera igny izy. 19 De nagnatogna an'i Jesôsy mangingina ny mpianatra de nizaka hoe: "Magnino na tsy navôrôka an'igny ahay?" 20 Jesôsy nizaka a'iary zareo hoe: "Nony finoana bitaka anareo. Fa zakaiko marina aminareo, na managna finoana na de bitaka kara ny voatsinampy aza anareo, de afaka mizaka amin'ny tedrombohitra anareo hoe: Miala teto ho etsy,' de hifindra zany sady tsy hisy na ino na ino tsy tsy ho hainareo. 21 [Fagnamarihana: ny dikan-teny taloha tsara indrindra de tsy ahitana ny hoe v. 21. "Fa ny karazanagny devoly ty de tsy mivôka raha tsy vavaka sady fifadian-kanina."] 22 Na nimpetraka tagny Galilia iary zareo, de nizaka Jesôsy tamin'ny mpianatra an' Azy hoe: "Ny Zanak'Olona de hatolotra an-tagnan'ny olona, 23 de iary zareo hamono an'Azy, amin'ny andro fahatelo de hatsangana Izy." De nalahelo tegnany ny mpianatra. 24 Ndreka tonga tagny Kaperinaomy iary zareo, de nagnatogna an'i Petera ny lilay zay nangotroka ny hetra atsasaky ny sekely sady nizaka hoe: "Tsy nagnefa ny hetra atsasaky ny sekely ma ny mpianatrareo a?" 25 Nizaka izy hoe: "Aika." Fa ndreka niditra tan-dragno Petera, de nikorana tamin'azy Jesôsy sady nagnotany hoe: "Ino no eritreritrao, ry Simona? ny mpanjaka eto an-tany, avy amin'iza no angalan'iary zareo hetra na hetra n'olona? Avy amin'ny fokonolona ma sa avy amin'ny vahiny?" 26 Dreka nizaka Petera hoe: "Avy amin'ny vahiny," De nizaka Jesôsy tamin'azy hoe: "De afaka amin'ny fagnefana an'zany ny fokonolona. 27 Ny mbatsy hampanotantsena ny mpangala hetra, de mandiana an-dranomasina anao, atsipazo ao ny vitana, de alay ny laoka zay miakatra voalohany. Ndreka voadagnadagnanao ny vavany, de hahitanao sakely ao. De alay zany ka omeo ny mpangala hetra mba hagnefana ne anaha de ne anao."