Toko faha 10

1 Nantsovan’i Jesôsy niaraka ny mpianatrany roy ambin’ny folo sady nagnome fahefana an'iary zareo amin’ny fagnahy maloto, mba handroahana an’io, sady hagnafaka ny karazagnaretina mban’ny karazana fahararena maro aby io. 2 De tôgny aby ny agnaran’ny apostoly roa ambiny folo. Ny voalohany, de Simona (antsovana my koa hoe Petera), de Andreo ampirahalahy amin’azy; Jakoba zanaka lilahin’i Zebedio, miaraka amin’i Jaona ampirahalahy amin’azy ; 3 Filipo; de Bartolomeo; Tomasy, de Matio raika mpitaky hetra; Jakoba zanaka lilahin’i Alfeosy, de Tadeosy; 4 Simona raika Zelota, de Jodasy Iskariota, raika hamadika an’azy. 5 De nirahin’i Jesôsy iary zareo roy ambiny folo. Ka nagnatoro an’iary zareo Izy sady nizaka hoe : "Aza mandeha amin’ny toerana misy an'ny Jentilisa anareo, de aza miditra amin’ny renivohitran’ny Samaritana. 6 Fa mandiana amin’ny ondry very amin’ny taranakan’ny Isiraely; 7 ka ndreka mandeha anareo, de mitoria de zakay hoe : ‘efa akeky ny fahatongavan’ny Fanjakan’ny lanitra.’ 8 Afay ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, de roay ny devoly. Mitovy amin’ny nahazoanareo maimaimpôgna, de magnomeza maimaimpôgna koa. 9 Aza mitondra volamena, volafotsy, na varahigna amin’ny pôketranareo. 10 Aza mitondra fasena vatsy amin’ny zegny handihananareo, na akanjo hafa, na kirako, na tangala, fa ny mpiasa de mendrika hahazo ny haninany. 11 Ndregny tanàn-dehibe na tanana bitaka hidiranareo, de eragno ao zegny mendrika, de mitomera ao mandram-penganareo. 12 Na miditra amin’ny tragno io anareo, de magnofatsafà an’ny zegny ao. Ka na fitokony tragno io, de avelay ny fiadananareo ho tonga ao. 13 Fa na tsy fitokony koza io, de avelay hierigna aminareo ny fiadananareo. 14 Fa zegny tsy mandray anareo na tsy miteno ny raha zakainareo, de ahintsagno aby ny vovoka amin’ny tongotranareo, ndreka menga amin’ny tragno io na amin'ny tanan-dehibe io anareo. 15 Zakaiko aminareo tsara, fa hohafahafa kokoa nen’ny tanin’i Sodoma sy Gomora amin’ny andro fitsarana toy izay amin’ny tanan-dehibe io. 16 Igny an, halefako kara ondry antegnantegnan’ny ambodia eo anareo, ka mikantia karan’ny menaragna sady tsy manan-tsigny karan’ny voromalala. 17 Mitandrema amin’olona! Fa hagnatitra anareo amin’ny filan-kevitra iary zareo, sady hamango anareo amin’ny synagogan’iary zareo. 18 Aveo de hindosina agnatrehan’ny governora mban’ny mpanjaka anareo noho ny avy Aminaha, mba ho vavolombelona ho an’iary zareo mban’ny Jentilisa. 19 Ndreka manolotra anareo iary zareo, de aza managna ahiahy amin’ny zegny raha zakainareo, fa homena anareo amin’ny lera io ny raha tokony ho zakaina. 20 Fa tsy anareo ny hizaka, fa ny Fanahin’i Abanareo hizaka aminareo. 21 Ny rahalahy de hagnano raha hahafaty an'ny rahalahy, ny ray de ny zanagny. Ny zanaka hitsangana hanohitra an'ny abany amin’ny endriny ka hahafaty an’iary zareo io. 22 Avy amin’ny agnarako de hanjary halan'ny olona marobe anareo. Ka ndregny madigny hatramin’ny farany, de ho voavonjy aby. 23 Ndreka magnanjaka anareo amin’ny tanan-dehibe io iary zareo, de milefàsa amin’ny ambadika agny, fa Izaho mizaka aminareo marina, fa tsy hotapitranareo aby ny tanànan’israely alohan’ny hatongavan’ny Zanak’olona. 24 Ny mpianatra de tsy ho lehibe ambonin’ny mpampianatrany, na mpiasa ambony noho ny mpampiasa. 25 Ampy ho an’ny mpianatra raha manjary karan’ny mpampianatranazy, de ny mpiasa karan’ny mpampiasa. Ndreka nantsovan’iary zareo hoe belzeboba ny tompon-tragno, de ho ratsy be kara ino ny agnarana hagnantsovan’iary zareo ny isan-tokantrano! 26 Amin'izany de aza matahotra an’iary zareo, fa tsy hisy takona ka tsy hivôka, na raha mivony ka tsy ho fantatra. 27 Zegny zakaiko aminareo amin’ny mizigna, de zakay amin’ny andro mazava, de zegny vitsikitsika regninareo amin’ny tadigninareo, de torio antafon-tragno. 28 Aza matahotra an’ny zegny mamono ny vatagna nefa tsy afaka mamono ny fagnahy. Nefa koza, matahora an’ny zegny afaka magnary ny fagnahy mban’ny vatagna amin’ny helo. 29 Tsy vola madinika bitaka ma ny hamarotana fody roy ? Fa mbola tsisy ndre raika amin'iary zareo aza latsaka amin’ny tany raha tsisy ny fahalalan’i Abanareo. 30 Fa ndre ny vi-ndrandragnanareo aza voaisa aby koa. 31 Aza matahotra. Misy dikany be ambonin’ny fody maro anareo. 32 Amin'izany de zegny magneky Anaha agnatrehan’ny olona, de ekeko my koa agnatrehan’i Abako an-danitra agny. 33 Fa zegny tsy magneky Anaha agnatrehan’ny olona koza, de tsy ekeko my koa agnatrehan’i Abako an-danitra agny. 34 Aza mihevitra fa Izaho de hitondra fedanana ambonin’ny tany eto. Tsy avy hitondra fedanana Aho, fa sabatra. 35 Fa avy Aho hampisaraka ny zanaka lilahy amin’ny abany, mban’ny zanaka viavy amin’ny endriny, de ny vinanto vavy amin’ny rafozam-baviny. 36 Zegny antokantragnony my no manjary fahavalon’ny olona. 37 Zegny tena tia an'ny abany na endriny amboniko de tsy fitokony Anaha; sady zegny tena tia ny zanaka lilahy na ny zanaka viavy amboniko de tsy fitokony Anaha. 38 Zegny tsy mitondra ny hazofijalena ka magnaraka Anaha de tsy fitokony Anaha. 39 Zegny mamonjy ny aignany de hagnary an’izany. Fa zegny magnary ny aignany avy Aminaha de hahita an’izany. 40 Zegny mandray anareo de mandray Anaha, de zegny mandray Anaha de mandray an'ny nagniraka Anaha my koa. 41 Zegny mandray ny mpaminany satria mpaminany izy de hahazo valisoan’ny mpaminany, de zegny mandray ny olona marina satria olona marina izy de hahazo valisoan’ny olona marina. 42 Ndre iza ndre iza magnome ny raika amin’ny farany madinika io, ndre de rano mangatseka kôpy raika ho nomina aza, satria izy mpianatra, de zakaiko marina aminareo fa, tsy ho very ny valisoany.»