Toko faha 5

1 andiana aty, anareo zay manan-karena, mitomagnia migogogogoà noho ny fizaliana ho avy aminareo. 2 Ny fanagnanareo efa lo, de ny lambanareo efa lanin'ny kalalao. Ny volamenanareo sy volafotsinareo de efa arafesina. 3 Ny harafenany de ho vavolombelona hitory anareo. Hagnoro ny tegnanareo kara ny afo. Nasarisinarizareo ny fanagnanareo ho amin'ny andro farany. 4 Iregny, ny mpiasa de mitaraigna ny karamany zay tsy nomenareo ho an'iary zareo zay nampamokatra ny taninareo, ka iregny fitaraignan'ny mpambely de efa avy agny am-pototadignin'ny Tompon'ny maro. 5 Niagna tamin'ny fanagnana teto an-tany anareo ka nampiadan-tegna tamin'ny tegnareo. Nampiadaninareo ny fonareo ho an'ny andro famonoana. 6 Nagnameloka sy namono ny olon-marina anareo. Tsy nanohitra anreo izy. 7 Ka mahareta, ry rahalay, mandra-piavin'ny Tompo. Iregny, ny mpamboly madigny ny vokatra tsara avy amin'ny tany. Mandigny am-paharetana an'zany izy, madra-pazahoany zany voalohan'orana sy faran'orana. 8 Anareo, my koa, mahàreta. Hampatanjao ny fonareo, satria efa akeky ny fiavian'ny Tompo. 9 Aza mifampitaraigna, ry rahalay, mba tsy tsaraina anareo. Tonga ny mpitsara mitsagnana eo am-baragnaragna. 10 Magnalà ohatra, ry rahalay, avy amin'ny fijalaina sy faharetan'iregny mpaminany, iregny zay nizaka tamin'ny agnaran'ny Tompo. 11 Ka, heverintsena karan'ny hoe sambatra iregny zay efa niaritra. Efa regninareo ny fiaretan'ny Jôba, sady lalanareo ny tanjognan'ny Tompo, mahatonga an'Azy mamindra fo sady mahatsiaro falahelo. 12 Fa ambonin'ny raha marobe, ry rahalaiko, aza mifanta, na amin'ny lagnitra na amin'ny tany, na amin'ny fifantana hafa. Fa koja, aoka ny zakanareo hoe: "Eny " de "Eny" na "Tsia" de "Tsia", mba tsy hiodiranareo amin'ny fitsarana. 13 Misy olona aminareo va managna olagna? Aoka hivavaka izy. Misy olona faly koa va? Aoka hihira fiderana izy. 14 Misy marary va aminareo? Aoka hagnatson'ny loholon'ny fiangonana, de aoka mba hivavaka ho an'azy izy. Aoka iary zareo agnosotra menaka an'azy amin'ny agnaran'ny Tompo. 15 Ny fivavakin'ny finoana no hagnafaka ny olona marary, ka ny Tompo hagnafaka an'azy. Na nanota izy, de hamela ny helokany Andriamanitra. 16 Ka de mifagnekea heloka anareo, sady mifampivavaha, mba ho afaka anareo. Ny vavaka amboaran'ny olo-marina de tena mahery indrindra ny fiasany. 17 Elia de olombelona karantsena my. Nivavaka mafy izy mba tsy hilatsaka ny orana, de tsy norana ny andro nandritran'ny telo taona sy enim-bolana. 18 Aveo de nivavaka ndreka Elia. Ka nandrotsak'orana ny lanitra, de nanjary namokatra ny tany. 19 Ry rahalaiko, na misy aminareo menga amin'ny fahamarinana, ka misy raika magnerina an'azy, 20 de tokony ho lalan'io olona io fa niza niza magnala ny mpanota raika amin'ny làlana diso de hagnavotra an'azy amin'ny fahafatesana, sady hanakona fahotana marobe.