Toko faha 3

1 Tsy olona maro aby io de tokony lasa mpampianatra, ry rahalahiko. Fantantsena fa handray fitsarana mafy tegnany antsena. 2 Fa antsena marobe de tafintohina amin'ny raha maro. Fa ndreka misy tsy tafintohina amin'ny raha zakaina io, de lilahy matotra tegnany izy, afaka mifehy ndre tegnany iraika manontolo aza. 3 Fa ndreka asentsena lamboridy ambavahadin'ny soavaly aby io mba hankatoavan'iary zareo antsena, de afaka mitondra ny vatagnan'iary zareo iraika manontolo koa antsena. 4 Jerevo koa ma fa ny sambo io, ndre agnona be de indôsin'ny agnina mafy, de voavilikan'ny familiana farany bitaka amin'ny zeny ten'ny mpagnamory. 5 Otran'izany koa ny lela de rantsagna bitaka amin'ny vatagna, kanefa izy de mihambo raha marobe. Jerevo koa ma ny habitakan'ny afo zay mandoro ala be. 6 Ny lela de afo mi koa, tontolon'ny fahotana napetaka tamin'ny rantsam-batagnantsena. Izany de magnisy pendipendigna amin'ny vatagna iraika manontolo sady mandoro ny lalam-piaignana. Arehitrin'ny helo ny tegnany. 7 fa ny karazam-bibidia maro aby io, vorogna, biby mandady, mbàn'ny zavaboharin-dranomasina de folaka sady nifolahin'olombelona. 8 Fa raha momba ny lela ndreka, de tsisy olona mahavita mamolaka an'io. Izy io de ratsy tsy hay fehezina, sady feno poizina mahafaty. 9 Amin'io no hiderantsena ny Tompo sy ny Ray. Sady amin'io koa ny agnozognantsena olona, zeny namboarina nitovy tamin'Andriamanitra. 10 Avy amin'ny vava izany my no ivoahan'ny fitahiana sy ny fagnozognana. Ry rahalahiko, tsy tokony hiseho raha izany. 11 Ny loharano ma ka mamôka rano mamy sady mafaitra avy amin'ny fivoahany? 12 Ny fototr'aviavy io ma, ry rahalahiko, ka mamokatra oliva? Na ny voaloboka, mamokatra aviavy? Ny rano masira koa de tsy afaka hagnome rano mamy. 13 Iza ma kanty sy mahalala aminareo io? Apetray olona izany haneho fiagnana tsara amin'ny asany amin'ny fagnetren-tegnan'ny hakantena. 14 Fa ndreka diso be fialognana lotra anareo na fanirian-daza agnatin'ny fonareo agny, de aza mieboka na mametsy manohitra ny marina. 15 Izany de tsy hankatena nilatsaka avy ambony agny. Fa koza , avy amin'ny tany, ny tsy ara-pagnahy, ny demoniaka izany. 16 Fa agny amindregny misy fialognana sy fanirian-daza, de misy fifanjevôna sy ny fagnamboarana ny ratsy marobe. 17 Fa ny hakantena avy ambony agny de madio alohagny, feno fiadagnana, malemy fagnahy, mihevitra ny sasany, feno famindram-po sy vokatra tsara, tsy malemy, sady tsotra. 18 Ny vokatry ny fahamarinana de vôfafy am-piadagnana agnatin'iary zareo zegny mampihavana.