Marka 1 13

1 Ary Jesosy niala tao amin'ny kianjan'ny tempoly,ny iraika tamin'ireo mpianany niteny tamin'ny hoe:"Mpampianatra ô tazagno ireto hatsaran'ny vato sy ny hatsarany rafitra." 2 Jesosy namaly ananjy hoe:" Tazagnao ireo rafitra geza ireto? tsy alefako misy vato mitovotovogna eto ka tsy ho ravana." 3 Ary niantotra teo amin'ny tanetin'Oliva fanitsy amin'ny tempoly Izy,Petera,Jakoba,Andrea,nagnitany Anazy mangingina hoe:" 4 Lazao aminay vena no ho avy zany? Inona no famatarana halalana rehefa tonga zany raha dahôly zany?" 5 Ary Jesosy nanomboka niteny tamin'jareo hoe:" Mitandrema tsy hisy ola hamitaka anareo. 6 Maro ny ho avy amin'ny Agnarako sy hilaza hoe:"Zaho no izy",ary ho betsaka ny voafitany. 7 rehefa maregny ady sy resabe momba ny ady ianareo,dia aza matahotra,tsy maintsy misy zany,nefa tsy mbola ny farany. 8 Hisy firenena hitsangana amely firenena,ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.Ary hisy horohoron-tany amin'ny tôrana maro,sady hisy silaona.Izany no fiandohany fahorina. 9 Matandrema ianareo. Fa hatolotra amin'ny Synedriona,dia vilezina oa amin'ny synagoga ianareo,hitsangana manolona ireo mpanapaka sy mpanjaka noho ny Amiko ianareo,ho vavolombelona aminy. 10 Fa ny filazantsara dia tsy maintsy hotoriana aloha any amin'ny firenena dahôly 11 kao raha hisambotra sy hanolotra anareo zareo,dia aza manahy amin'izay tokony hoteneninareo.Fa amin'io ora io,izay tokony hoteneninareo dia ho tonga aminareo;tsy ianareo akory no hiteny fa ny Fanahy Masina. 12 Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho vonoina,ary ny Ray hanolotra ny zanany.Ny zanaka hitsangana hanolotra ny Ray aman-dreny ka hamono anazy. 13 Ho halan'ny ola dahôlo ianareo noho ny Anarako,fa izay maharitra hatramin'ny farany no ho vonjena. 14 Fa raha tazagnareo ny fahavetavetan'ny fandravana mitsangana amin'ny fitôrana tsy manjary misy ananjy.(aoka hisaina izany izay mamaky),aoka izay avy any Jody dahôlo hilefa any an-tanety, 15 izay ao an-tapon-trano tsy hidina ao andragno tsy hidina haka ny ra any ivelany. 16 Ary izay any an-tsena tsy hiverina haka ny lambany. 17 Lozan'ny vehivavy bevoka sy ny mampinono amin'izany andro izany! 18 Mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina no hatongan'izany andro zany 19 .Fa amin'izany andro hisy fahorimbe izay tsy mbola nisy hatramin'ny voaloany na tamin'ny namoronanan'Andriamanitra izao totolo izao mandrank'igniany zao,tsia,ary ho mandrakizay tsy hisy intsony izany. 20 Ary raha tsy hivaizin'i Tompo izany andro izany,dia tsy hisy nofo hovonjena,fa nohon'ny fiavanan'ny olom-boafidy,izay nofidiny, naivainy ny isan'izany andro izany 21 Raha misy ola hiteny aminao hoe:"tazagno aty ilay Kristy",!na koa hoe:"tazagno ery izy",aza mino ananjy 22 .Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseo avy haneo famantarana sy fagagana,hamitahany ny olom-boafidy aza raha ajony atao. 23 Miambena! Efa noteneniko tamin'areo mialoha iregny ra dohôlo iregny. 24 Kanefa raha afaka zany fahoriana zany amin'izany andro dohôlo izany,ny masoandro hohamaizinina ny volana tsy hanome ny hazavany, 25 ireo kitana hipotrapotraka avy eny amin'ny lanitra,ary ny tanjaka rehetra izay ao an-danitra hozongozonina. 26 Ka ho tazagn'izireo ny Zanak'Ola avy eo amin'ny rôndro amin'ny tanjany lehibe sy ny voninahitra. 27 Ary hagniraka ny anjeliny Izy ka hanangona ny olom-boafidiny avy agny amin'ny vazan-tany efatra,avy agny amin'ny faran'ny tany ka hatrany amin'ny faran'ny lanitra. 28 Diniho ny fanoharana avy amin'ny aviavy raha vao magnitsagna ny rantsagny sy mandravina,dia fatatrareo fa ankeky ny loataona. 29 Ary kao,raha vao tazagnareo fa tonga zany raha dahôlo izany dia fantatrareo fa efa ankeky Izy ,tsy alavitra fa eo ambaravarana. 30 Lazaiko amin'areo marina tokoa,ity taranaka ity tsy mba ho tapitra mandrapatongan'izany dahôlo izany. 31 Ny lanitra sy ny tany ho levona,fa ny teniko tsy mba ho levona. 32 Fa ny amijany andro izany na ny ora izany,dia tsy misy mahalala,na ny anjely na ny any an-danitra,na dia ny Zanaka aza,afa-tsy ny Ray ihany. 33 Mitandrema! miambena sy mivava satria tsy fantatrareo ny ora. 34 Izany dia tahakan'ny lehila raika mande lavitra nandao ny tragnony izy ka ireo mpanompony no nantsony hitandrina ny tragnony,dia samy nomeny raharaha ny tsirairay.Ary nandidy ny mpiandry varavarana izy hiambina tsara. 35 Koa miambena! fa tsy hainareo hoe rahoviana no avy ny tompo-trano,mety ho ariva,mety ho mamaton'ala,na ho magneno akoho ,na ho ampolakeka. 36 Fandrao ho avy tampoka ka mahatazagna anareo tafandry. 37 Izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny ola dahôlo koa: Miambena!.