Marka 1 1

1 Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy zanak'Andriamanitra. 2 Izay voasoratra ao amin'ny Isaia mpaminagny hoe : ''Indro za magniraka ny hirako alônao Izay agnamboatra ny lalanao. 3 Izany misy feo magnantso mafy agny agnefitra, amboaro ny lalan'ny Tompo; ataovy mahitsy ny lalam-kizorana. 4 Jaona dia tonga, nagnano Batisa tagny agn'efitra nilaza ny Batisa ny fibebahana amin'ny famelan-keloka noho ny ota. 5 Ny tany Jodia rehetra sy ny ola dahôly takao Jerosalema dia nagnantona ananjy. Nagnano Batisa ananjireo Izy takao amin'ny onin'i Jordana ka nibebaka nohon'ny amin'ny fahotany zareo. 6 Jaona dia nirako-damba volon-dRameva sy ngnano fehikibo oditra teo amin'ny andilagny, ary valalagna sy fandrama no fihinana. 7 Nitory izy hoe: misy magnaraka anah matanjaka noho izaho ka tsy mendrika zaho na dia hamaha ny korarony aza. 8 Za nagnano Batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy agnano Batisa anareo amin'ny '' Fanahy Masina''. 9 Taminy fotoana dia tonga Jesosy avy agny Nazareta akao Galilia dia nataon'i Jaona Batisa tamin'ny onin'i Jordan Izy. 10 Ary Jesosy nipoitra avy tagnaty rano dia natazana ny lanitra nivoha nidigna tamin'anjy ny Fanahy ôtran'ny voromailala. 11 Ary nisy feo avy agny an-danitra nanao hoe : '' Anao no Zanako lahy malalako, Anao no teko.'' 12 Tafaran'izany dia ndeson'ny Fanahy nakaigny agn'efitra Jesosy. 13 Ka efa-polo andro Izy tagny agn'efitra, no nalain'ny satana Fanahy. Nentotra niaraka tamin'ny bibidia Izy ary ny anjely nanompo ananjy. 14 Rehefa nisamborin'i Jaona, Jesosy kosa nitory ny filazantsara an'Andriamanitra takao Galilia, 15 ary nanambara hoe: ''Efa tonga ny fotoana fa ankeky ny fanjakan'Andrfiamanitra.Mibebaha dia minoa ny filazantsara.'' 16 Nandalo tagny amoron-dranomasin'ny Galilia Izy, dia natazana an'i Simona sy Andrea rahalahan'i Simona nagnarato, satria zany ny asany, 17 ka hozy Jesosy taminanjy, ''Avety agnaraka anah, fa ataoko mpagnarato ola nareo.'' 18 Napetrany takeo ny aratony ka dia nagnaraka anazy dahôly zareo 19 Rehefa nande alavidavitra Jesosy dia natazagna an'i Jakoba zanak'i Gebedio sy Jaona rahalahany, ze takao an-tsambokely ihany koa , nanambotra ny, haratony. 20 Nagnantso anjareo izy ka dia napetrany takeo ny Rainy Zibedio takao an-tsambokely niaraka tamin'ireo gaognany, ary nagnaraka ananjy dahôly zareo. 21 Ary efa tonga takao Kapernaomy zareo, sy tamin'ny andro sabata, Jesosy tonga dia nitsofoka takao amin'ny Synagoga nampianatra. 22 Gaga gnola nohon'ny fampianaranany, satria nampianatra ananjy reo ôtrany magnana fahefahana Izy fa tsy mba ôtran'ny mpanora-dalana 23 Avy akeo dia nisy gaogna raika nagnana ambalavelona takao amin'ny Sygnagoga. 24 Niteny hoe: ''Misy ino tambaranay aminao Jesosy, avy agny Nazareta? Fa ngah potehinao va zahay? fantatro fa Anao Ilay Masin'Andriamanitra! 25 Nitrerona ny demonia Jesosy : ''Akombono ny vavanao! miala akaigny!''. 26 Ary ilay ambalavelona nandavo ananjy sy niala tamin'anjy, tamin'ny hiakiaka miaraka amin'ny feo mafy. 27 Gaga sy tofoka gnola dahôly sady nifanontany ino 'ty rah 'ty? fampianarana vaovao managna fahefahana? Bekony reo fanahy maloto ary manaiky ananjy reo!''. 28 Ary ny vaovao momban'azy dia niparitaka vetivetika manerana ny tanin'ny Galilia sy ny manodidina rehetra. 29 Ary rah nivoaka ny Sygnagoga Izy dia nitsofoka tan-dranon'i Simona sy Andrea niaraka tamin'ny Jakoba sy Jaona. 30 Tamin'io fotoana io dia natory tamparafara ny rafozambavin'i Simona izay nagnavitazona, ary tonga dia niteneniny an'i Jesosy ny momban'azy. 31 Dia nanantona Izy ka nitana ny tagnany nampifô an'azy: ary afaka ny aretiny ary nanomboka nanompo ananjy reo izy. 34 Tamin'gniala tafara'ny maty masoandro, nentin-jareo takeo amin'anjy ny marary dahôly na ny misy demonia. 32 Nitangorona tambaravarana dahôly ny takao an-tagnàna. 33 Nanasitrana aretina samihafa sy nandrôka demonia betsaka, ka tsy nalefany iteny reo devoly satria nahafantatra ananjy. 35 Dia nifoha ampalakeka maizimaizina Jesosy; niala takeo Izy ka nandeha takaigny amin'ny tôrana mangina ary nivavaka takeo. 36 Nikaraka an'azy Simona sy ireo niaraka tamin'azy. 37 Ary rah nahitananjy Izy dia niteny heo: ''Mikarakanao dahôly ny ola'' 38 Dia hoizy: ''Andao tsika ankany amin'ny tôrana, hafa avelany, agny amin'ireo tanàna manodidina afahako mitory teny agny koa. Izany antony nivoako taty. 39 ''Dia nitety ny Galilia manontolo Izy nitory teny takao amin'ireo Sygnagoga sady nandroaka demonia maro. 40 Nisy boka raika tonga takeo nitaraigna tamin'azy sady nandady takeo Izy niteny hoe: ''Raha manjary aminao dia diovy zaho''. 41 Jesosy onena azy, dia nanatsotra ny tanany sy nikitika ananjy sady niteny hoe: ''Manjary Aminah, madiova enao 42 ''Niala tamin'anjy avy hatrany ny habokana ka nadio izy. 43 Jesosy nagnafatra ananjy mafy sy nandefan'azy avy hatrany, 44 Hozy tamin'anjy: ''Tandremo tsy hiteny na amin'iza na amin'iza ianao, mandehana miseho amin'ny mpisorogna, efaho ny adidinao taminy fanadiovana anao araka ny didin'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona ho anjareo ianao''