Toko faha 65

1 "Efa vonona ny ho ren'ireo izay tsy nanontany Aho; vonona ny ho hitan'ireo izay tsy nitady. Hoy Aho hoe: 'Inty Aho! Inty Aho!' ho amin'ny firenena izay tsy niantso ny anarako. 2 Efa namelatra ny tanako tontolo andro ho tamin'ny vahoaka mafy hatoka Aho, izay mandeha amin'ny lalana izay tsy tsara, izay efa nandeha araka ny saim-pantany sy ny fikasany! 3 Izy ireo dia vahoaka izay tsy mitsahatra manafintohina Ahy, manao sorona ao amin'ireo zaridaina, ary mandoro ditin-kazo manitra eo ambony tanimanga. 4 Miambina eo amin'ny fasana izy ireo ary eo mandritry ny alina, ary mihinana henan-kisoa miaraka amin'ny ron'ny hena fahavetavetana eo an-dovian'izy ireo. 5 Hoy izy ireo hoe: 'Miataha, aza manakaiky ahy, fa izaho dia masina kokoa noho ianao.' Ireo zavatra ireo dia teo am-bavoroko, afo izay mandoro mandritry ny tontolo andro. 6 Indro, voasoratra eo anoloako hoe: Tsy hangina Aho, fa hampanefa azy ireo; hamaly azy ireo eo am-pofoany, 7 fa ny fahotan'izy ireo sy ny razany dia mitambatra," hoy Yaveh. "Hamaly azy ireo noho'ny fandorana ditin-kazo manitra tao amin'ireo tendrombohitra sy nohon'ny fanesoana Ahy tao amin'ireo havoana Aho. Noho izany dia handrefy ireo asa vitan'izy ireo eo am-pofoany Aho." 8 Izao no lazain'i Yaveh: "Tahaka ny ranom-boankazo hita ao an-tsampahom-boaloka, ka milaza ny iray hoe: 'Aza simbana io, satria misy tsara ao aminy,' izany no hataoko nohon'ny amin'ny mpanompoko: Tsy handringana azy rehetra Aho. 9 Hitondra taranaka avy amin'i Jakoba, sy avy amin'i Joda izay hanana ireo tendrombohitro Aho. Ireo izay voafidiko dia hanana ny tany, ary ny mpanompoko dia honina ao. 10 Sarona dia ho tonga fiandrasana ondry aman'osy, ary ny lohasahan'i Akora ho toerana fampandrian'omby, ho an'ireo oloko izay mitady Ahy 11 Fa ianareo izay mandao an'i Yaveh, izay manadino ny tendrombohitro masina, izay manomana latabatra ho an'ny andriamanitra Gada, ary mameno divay voaharo ny fisotroana ho an'ny andriamanitra Meny. 12 Handahatra anao ho an'ny sabatra Aho, ary ianareo dia hiankohoka amin'ny fahafatesana avokoa, satria fony niantso Aho, dia tsy namaly ianareo; fony niteny Aho, dia tsy nihaino ianareo. Fa nanao izay ratsy teo anatrehako sy nisafidy ny hanao izay tsy mahafaly Ahy ianareo." 13 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Indro, hihinana ny mpanompoko, fa ianareo kosa ho noana; indro, hisotro ny mpanompoko, fa ianareo kosa hangetaheta; indro, hiravoravo ny mpanompoko, fa ianareo kosa ho menarina. 14 Indro hihiaka fifaliana ny mpanompoko nohon'ny hafaliam-po, fa ianareo kosa hitomany nohon'ny fanaintainan'ny fo, ary hidradradradra nohon'ny fahatorotoroan'ny fanahy. 15 Hamela ny anaranareo ho ozona ho an'ireo voafidiko mba hiteny ianareo; Izaho, ilay Tompo Yaveh, no hamono anareo; Ho antsoiko amin'ny anarana hafa ireo mpanompoko. 16 Na iza na iza manambara fitahiana ao amin'ny tany dia ho voatahiko, ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Na iza na iza mianiana amin'ny tany dia mianiana amin'ny alalako, ilay Andriamanitry ny fahamarinana, satria ho adinoina ireo loza taloha, fa hiafina tsy ho hitan'ny masoko ireo. 17 Fa indro, hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao Aho; ary ireo zavatra taloha dia tsy tsaroana na hampatsiahivina. 18 Fa ho faly ianareo ary hiravo mandrakizay ao amin'izay vao ho foroniko. Indro, hamorona an'i Jerosalema ho fifaliana, ary ny mponiny ho sitraka Aho. 19 Hiravoravo manerana an'i Jerosalema, sy ho faly eo amin'ireo vahoakako Aho; ny tomany sy ny tarainan'ny fahoriana dia tsy ho re ao aminy intsony. 20 Tsy hisy zaza madinika hiaina andro vitsy intsony ao; na lehibe maty mialohan'ny androny. Izay maty amin'ny faha zato taona dia heverina ho olona maty tanora. Izay tsy mahatratra ny faha arivo taona dia heverina ho voaozona. 21 Hanorina trano izy ireo ka honina ao amin'izany, ary hamboly voaloboka ka hihinana ny voany. 22 Tsy hanorina trano intsony izy ireo ka ny hafa no hipetraka ao amin'izany; tsy hamboly izy ireo ka ny hafa no hihinana; fa ny andron'ny hazo maniry no ho andron'ny vahoakako. Ny voafidiko dia hisitraka feno ny asan'ny tanany. 23 Tsy hiasa maina izy ireo, na hiteraka mba hampitahotra. Satria izy ireo sy ireo taranany dia zanak'ireo izay voatahin'i Yaveh. 24 Mialohan'ny hiantsoan'izy ireo, dia hamaly Aho; ary raha mbola eo am-pitenenana izy ireo, dia hihaino Aho. 25 Ny amboadia sy ny zanak'ondry dia hiara-hiraoka, ary ny liona hihinana mololo tahaka ny omby; fa vovoka no ho sakafon'ny bibilava. Tsy handratra na hamotika eny amin'ny tendrombohitro intsony izy ireo" hoy Yaveh.