Toko faha 56

1 Izao no lazain'i Yaveh: "Tandremo izay marina, manaova izay rariny; fa akaiky ny famonjeko, ary efa haseho ny fahamarinako. 2 Voatahy ny olona izay manao, sy mihazona mafy izany. Izy dia mitandrina ny Sabata, fa tsy mandoto izany, ary mifehy ny tanany amin'ny fanaovan-dratsy." 3 Aoka ny hafa firenena izay tonga mpanaraka an'i Yaveh tsy hisy hanao hoe: "Hanala ahy ao amin'ireo vahoakany tokoa Yaveh." Ny tandapa tsy tokony hiteny hoe: "Indro izaho fa hazo maina." 4 Fa izao no lazain'i Yaveh: "Ho an'ireo tandapa izay mitandrina ireo Sabatako, sy misafidy ny ankasitrahako, ary mihazona ny fanekeko, 5 ho azy ireo no hananganako ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako ny tsangam-bato izay tsara kokoa nohon'ny manan-janaka lahy sy zanaka vavy. Hanome azy ireo tsangam-bato maharitra mandrakizay izay tsy ho kapaina mihitsy Aho. 6 Ireo hafa firenena izay miaraka amin'i Yaveh ihany koa_ mba hanompo Azy, ary ireo izay tia ny anaran'i Yaveh_mba hidera Azy, ny olona rehetra izay mitandrina ny Sabata, izay mihazona amin'ny tsy fandotoana izany, ary izay mihazona ny fanekeko 7 _dia ho entiko any an-tendrombohitro masina ary hampiravoravoko ao an-trano fivavahako izy ireo; ny fanatitra dorany sy ny soron'izy ireo dia hekena eo ambonin'ny alitarako. Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra, 8 izany no fanambaran'i Yaveh Tompo, izay manangona ireo vaoroakan'Israely_mbola hanangona ireo hafa ho fanampin'izy ireo Aho." 9 Ianareo bibidia rehetra any an-tsaha, avia ka arapao, ianareo bibidia rehetra any an'ala! 10 Ireo mpitily azy rehetra dia jamba, tsy mahatakatra izy ireo. Amboa moana avokoa izy ireo ka tsy afaka mivovoa. Manofy, sy mitsilailay izy ireo ary tia matory. 11 Tenda-kanina tokoa ireo amboa; tsy mety voky mihintsy izy ireo; mpiandry ondry tsy mahay manavaka izy ireo; nivily tamin'ny lalany avy izy rehetra ireo, samy fatra-pitia tombony tsy ara-drariny ny tsirairay. 12 "Avia" hoy izy ireo: "Andao hisotro divay sy taoka isika. Ho toy ny androany ihany ny rahampitso, andro lehibe tafahoatra."