Toko faha 53

1 Iza no nino izay reny avy taminay, ary tamin'iza no nampisehoana ny sandrin'i Yaveh? 2 Fa nitombo tahaka ny zana-kazo madinika teo anatrehan'i Yaveh izy, ary tahaka ny tsimoka avy ao amin'ny tany karankaina; tsy nanana hatsaran-tarehy mahatalanjona na famirapiratana izy; rehefa nahita azy isika, dia tsy nisy hatsarana manintona antsika teny. 3 Izy dia notsinontsinoavina ary nolavin'ny olona; olon'ny alahelo, ary zatra fahoriana. Tahaka ilay iray izay hanafenan'ny olona ny tavany, natao tsinontsinona izy; ary ataontsika tahaka ny tsy misy dikany. 4 Kanefa nitondra ny aretintsika tokoa izy ary nizaka ny alahelontsika; fa nihevitra isika hoe nosazian'Andriamanitra izy, nasian'Andriamanitra, ary nampahoriana. 5 Fa nolefonina noho ireo asa fikomiantsika izy; potika noho ireo otantsika izy. Ny sazin'ny fiadanantsika dia teo aminy, ary tamin'ireo ratrany no nahasitrana antsika. 6 Isika rehetra dia tahaka ny ondry izay nandeha tamin'ny lalan-diso; samy nandeha tamin'ny lalany avy isika, ary Yaveh nametraka ny fahotantsika rehetra teo aminy. 7 Nampahoriana izy; nefa rehefa nanetry tena izy, dia tsy nanokatra ny vavany; tsy nanokatra ny vavany tahaka ny zanak'ondry izay tarihina ho any amin'ny famonoana; sy tahaka ny ondry izay mangina manoloana ny mpanety azy izy. 8 Tamin'ny faneriterena sy fitsarana no niampangana azy; iza amin'io taranaka io no mbola mieritreritra ny momba azy? Fa naringana tamin'ny tanin'ny velona izy; noho ireo fandikan-dalàn'ny oloko dia natao teo aminy ny fanasaziana. 9 Nataon'izy ireo niaraka tamin'ireo jiolahy ny fasany, niaraka tamin'ny lehilahy manan-karena ny fahafatesany, na dia tsy nanao herisetra aza izy, na nisy fitaka aza teo imolony. 10 Fa sitrapon'Yaveh ny hamotika azy sy hanao azy ho marary. Rehefa nataony ho sorona ho an'ny fahotana ny ainy, dia hahita ny fisasarany izy, hanalava ny androny izy, ary ny tanjon'i Yaveh dia ho tanteraka amin'ny alalany. 11 Aorian'ny fijaliany teo amin'ny fiainany, dia hahita fahazavana izy ary ho afa-po amin'ny fahalalany. [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Aorian'ny fijaliany tamin'ny fiainany" ny dikan-teny vaovao sasany dia manao hoe: "Hatrany amin'ny fijaliany tamin'ny fiainana dia hahita vokany izy."] Ilay mpanompoko marina no hanamarina ny maro; hitondra ny helok'izy ireo izy. [Fanamarihana: Ny dikan-teny vaovao maro sasany dia manampy hoe: "hazavana". Ny dikan-teny vaovao sasany dia manao hoe: "Amin'ny fahalalany, no hanamarinan'ilay mpanompoko marina ny maro."] 12 Noho izany dia hanome azy ny anjarany eo amin'ireo maro aho, ary hizara ireo babo amin'ny maro izy, satria nampiharihary ny tenany tamin'ny fahafatesana izy ary natao ho isan'ireo mpandika lalàna. Nitondra ny otan'ny maro izy ary nanelanelana ireo mpandika lalàna.