Toko faha 49

1 Mihainoa ahy, ianao ry nosy! Ankehitriny hevero aho, ianareo ry vahoaka alavitra. Efa nantsoin'i Yaveh hatramin'ny nahaterahako tamin'ny anarako aho, rehefa nitondra ahy hoe eto an-tany ny reniko. 2 Nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; nafeniny tao amin'ny aloky ny tanany aho; nataony toa ny zana-tsipìka voalangolango aho; tao an-tranon'ny zana-tsipìkany no nanafenany ahy. 3 Niteny tamiko izy hoe: "Ianao no mpanompoko, Israely, izay hanehoako ny voninahitro." 4 Fa namaly aho hoe: "Raha nihevitra aho hoe niasa tam-pikirizana, dia nandany ny heriko tamin'ny zava-poana aho, fa efa ao amin'ny Yaveh ny rariny izay ahy, ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamananitro. 5 Ankehitriny Yaveh dia miteny_Izy ilay namorona ahy hatramin'ny nahaterahako ho mpanompony, mba hampiverina amin'ny laoniny indray an'i Jakoba ho azy tenany, ka hampitambatra ny Israely ho eo aminy, fa omem-boninahitra eo imason'i Yaveh aho, ary tonga heriko ny Andriamanitro_ 6 ary hoy Izy: "Zavatra kely aminao ny ho mpanompoko izay hanorina indray ny fokon'i Jakoba ary hampiverina ireo sisa tsy maty amin'ny Israely. Hanao ho fahazavana anao amin'ny Jentilisa Aho, ianao izay mety ho famonjeko any am-paran'ny tany." 7 Izao no lazain'i Yaveh, mpanavotra ny Israely, ilay Masiny Iray, amin'ny iray izay manana fiainana voatsinontsinona, halan'ireo firenena, ary andevon'ireo mpanapaka hoe: "Ho hitan'ny mpanjaka ianao ary hitsangana, Ary hahita anao ireo andriana ka hiankohoka, noho i Yaveh izay mahatoky, na dia ny Iray Masin'Israely, izay nifidy anao aza." 8 Izao no lazain'i Yaveh: "Amin'ny fotoana izay hanapahako hevitra hanehoako ny fankasitrahako dia hamaly anao Aho, ary amin'ny andron'ny famonjena dia hanampy anao Aho; hiaro anao Aho, ary hanome anao tahaka ny fanekena ho an'ny vahoaka, mba hanangana indray ny tany, mba hanendry indray ny lova efa lao. 9 Hiteny amin'ireo gadra ianao hoe: 'Manatona;' ireo izay ao anatin'ny trano-maizina hoe: "Asehoy ny tenanareo". Hihinana eny amin'ireo lalana izy ireo, ary ireo hantsana mangadihady rehetra dia ho ahitra ho azy ireo. 10 Tsy ho noana na hangetaheta; na hafana be na ho kapohin'ny masoandro izy ireo, fa Izy izay manana famindram-po amin'izy ireo no hitarika azy ireo; hitantana azy ireo ho any amin'ireo loharano izy. 11 Dia hanao ireo tendrombohitro rehetra ho lalana Aho, ary hanao ireo lalam-be hisandratra. 12 Indro, ho tonga avy any amin'ny alavitra izy ireo, ny sasany avy any amin'ny avaratra sy ny antsinanana; ary ireo sasany avy any amin'ny tanin'ny Sinima. 13 Mihirà, ry lanitra, ary mifalia, ry tany; mivakia amin'ny fihirana, ianareo ry tendrombohitra! Fa mankahery ny olony Andriamanitra, ary hanana fangoraham-po amin'ireo ory. 14 Fa i Ziona niteny hoe: "Nahafoy ahy Yaveh, ary nanadino ahy ny Tompo." 15 Moa ve ny reny hahavita hanadino ny zanany, izay minono eo an-tratrany, ka tsy hanana fangoraham-po amin'ny zanany lahy izay naterany? Eny, mety hanadino izy, fa Izaho tsy mba hanadino anao. 16 Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ny anaranao. eo anoloako foana ny mandanao. 17 Ny zanakareo dia mandeha faingana ao aoriana, raha mbola miala aminao ireo izay mpandringana anao. 18 Jereo ny manodidina ka mijere, miangona manodidina anao izy rehetra ary manatona anao. Raha mbola miaina tokoa Aho_izany no fanambaran'i Yaveh_Hiakanjo ireo tahaka ny firavaka tokoa ianao, ary hitafy azy ireo tahaka ny ampakarina ianao. 19 Fa very sy lao ianao, tany izay rava, ankehitriny dia ho kely indrindra ianao amin'ireo mponina, ary ireo izay nihinana anao dia hiala alavitra. 20 Ny zaza izay ho teraka mandritry ny fotoanan'ny alahelonao dia hibitsika eo an-tsofinao hoe: "Tery loatra ho anay ny toerana, manaova efitra ho anay, mba ahafahanay monina eto." 21 Dia hanontany tena ianao hoe: "Iza no niteraka ireto zaza ireto ho ahy? Fa momba sy nalahelo aho, sesitany ary nisaram-panambadiana. Iza no nanangana ireto ankizy ireto? Indro, navela irery tokoa aho; avy aiza no niavian'izany?"" 22 Izao no nolazain'i Yaveh Tompo hoe: "Indro, hanandratra ny tanako amin'ireo firenena Aho, hanandratra ny fanevako amin'ireo vahoaka Aho. Hitondra ireo zanaka lahinao eo an-tsandriny sy ireo zanaka vavinao eo an-tsorony izy ireo. 23 Ny mpanjaka no ho ray mpamelona anao, ary ireo mpanjakavaviny no ho mpifehy anao; hiankohoka miaraka amin'ny tavany amin'ny tany aminao izy ireo ary hamafa ny vovoka eo an-tongotrao; ary ho fantatrao fa Izaho no Yaveh; ireo izay niandry ahy dia tsy ho menatra." 24 Moa ve afaka alaina amin'ireo mpiady ireo voasambotra? na ireo babo ho voavonjy amin'ny mafy? [Fanamarihana: Raha toa ka hoe: "amin'ny mafy", ny lahatsoratra Hebreo nanao hoe: "amin'ny fahamarinana" fa ny ankamaroan'ny dikan-teny taty aoriana nanova azy hoe: "amin'ny mafy".], 25 Fa izao no lazain'i Yaveh: "Eny, halaina amin'ny mpiady ireo babo, ary ho voavonjy ireo voasambotra; fa hanohitra ireo fahavalonao Aho ary hanavotra ireo zanakao. 26 Hofahanako ireo nofon'ny tenany ireo mpampahory anao; ary ho mamon'ny ran'ny tenany izy ireo, tahaka ny hoe raha divay izany. Dia ho fantatrin'ny olombelona rehetra fa Izaho, Yaveh, no Mpamonjy sy Mpanavotra anareo, ilay Iray Maherin'i Jakoba."