Toko faha 35

1 Ny tany efitra sy karakaina dia hiravoravo; ary ny tani-hay hifaly sy hamony. Toy ny raozy, 2 hamelana be dia be izany ary hihoby amin'ny fifaliana sy ny hirahira; ny voninahitr'i Libanona dia homena izany, ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarona; hahita ny voninahitr'i Yaveh izy ireo, ny famirapiratan'Andriamanintsika. 3 Ampaherezo ny tanana miraviravy, ary atanjaho ireo lohalika mangovitra. 4 Lazao amin'ireo reraka am-po hoe: "Mahereza, aza matahotra! Indro, ny Andriamanitrareo ho avy miaraka amin'ny famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra. Ho avy Izy ary hamonjy anareo." 5 Dia hahiratra ny mason'ireo jamba, ary handre ny sofin'ireo marenina. 6 Dia hitsambikina toy ny diera ny olona mandringa, ary ny lelan'ny moana dia hihira, fa hivoaka avy any amin'ny tany karankaina ny rano, ary ireo loharano any an'efitra. 7 Ho tonga farihy ny fasika mandoro, ary ny tany mangetana ho tonga loharano miboiboika; any amin'ny fitoeran'ireo amboadia, izay itoeran'izy ireo fahiny, dia ho feno ahitra volotara sy zozoro. 8 Ny lalam-be any dia ho antsoiana hoe Lalana Masina. Tsy handeha amin'izany ny maloto. Fa izany dia natao ho an'izay mandeha amin'izany. Tsy misy adala handeha amin'izany. 9 Tsy hisy liona any, tsy hisy biby masiaka ao amin'izany; tsy ho hita ao izy ireo, fa ireo izay voavonjy no handeha ao. 10 Hiverina ny vidim-panavotan'i Yaveh ary ho avy any Ziona amin'ny fihirana, ary fifaliana mandrakizay no ho eo an-dohan'izy ireo; hahazo fihobiana sy firavoravoana izy ireo, handositra ny alahelo sy ny fisentoana.