Toko faha 28

1 Lozan'ny satro-boninahitra voninkazo izay reharehan'ireo mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo malazon'ny hatsaràny be voninahitra, ilay satro-boninahitra izay apetraka eo an-dohan'ny lohasaha maitso mavan'ireo izay resin'ny divay! 2 Indro, ny Tompo dia mandefa izay lehibe sy matanjaka; toy ny tafio-drivotr'avandra sy tafio-drivotra mandrava, toy ny orana mitarika sy rano manafotra; ary hanipy ny satro-boninahitra voninkazo tsirairay ho amin'ny tany Izy. 3 Ho hitsakitsahina ambany tongotra ny voninkazo reharehan'ireo mpimamon'i Efraima. 4 Ny voninkazo malazon'ny hatsarany be voninahitra, izay eo an-dohan'ilay lohasaha lonaka, dia ho toy ny aviavy mialin-taona alohan'ny fahavaratra, izay, rehefa hitan'ny olona izany, raha eo an-tanany izany, dia arapany. 5 Amin'izany andro izany Yaveh tompon'ny maro dia ho lasa satro-boninahitra tsara tarehy sy diademan'ny hatsaràna ho an'ireo sisa tavela amin'ny vahoakany, 6 fanahin'ny rariny ho azy izay mipetraka amin'ny fitsàrana, ary hery ho an'ireo izay mampiverina ireo fahavalony eo am-bavahadin'izy ireo. 7 Fa na dia ireo aza dia midoladola amin'ny divay, ary mivembena amin'ny zava-pisotro mahery. Ny mpisorona sy ny mpaminany dia adoladolan'ny zava-pisotro mahery, ary atelin'ny divay izy ireo. Mivembena amin'ny zava-pisotro mahery izy ireo, mivembena amin'ny fahitana ary midoladola amin'ny fanapahan- kevitra. 8 Rakotra loa tokoa ny latabatra rehetra, koa tsy misy toerana madio. 9 Amin'iza no ho hampianarany fahalalana, ary amin'iza no hanazavany ilay hafatra? Amin'ireo izay vao nisara-nono ve? 10 Fa baiko manampy baiko, baiko manampy baiko izany; fitsipika manampy fitsipika; fitsipika manampy fitsipika; kely eto, kely ery. 11 Miaraka amin'ny molotra maniratsira sy fiteny vahiny tokoa no hiresahany amin'ity vahoaka ity. 12 Taloha Izy dia niteny tamin'izy ireo hoe: "Ity no fitsaharana, omeo fitsaharana izay reraka; ary ity no famelombelomana," fa tsy nihaino izy ireo. 13 Koa ho baiko manampy baiko, baiko manampy baiko; fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika; kely eto, kely ery amin'izy ireo ny tenin'i Yaveh; mba handeha izy ireo ary hianjera, ary ho simba, voafandrika, ary voasambotra. 14 Koa henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo izay maniratsira, ianareo izay manapaka amin'ity vahoaka izay ao Jerosalema ity. 15 Hitranga izany satria niteny ianareo hoe: "Nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay, ary nanao fifanarahana tamin'ny Fiainan-tsy hita. Koa raha mandalo eo ny karavasy manafotra, dia tsy hahazo antsika izany. Satria isika nanao ny lainga ho arontsika, ary ny fitaka ho fiherentsika." 16 Noho izany Tompo Yaveh dia milaza izao: "Indro: Hanorina fototra ao Ziona Aho, vato voasedra, vato fehizoro sarobidy, fototra azo antoka. Izay mino dia tsy ho menatra. 17 Hataoko fitsipika ny fitsaràna, ary pilao ny fahamarinana. Hamafa ny fialofan'ireo lainga ny havandra, ary hanafotra ny toerana miafina ireo tondra- drano. 18 Ho levona ny fanekenareo tamin'ny fahafatesana, ary tsy hijoro ny fifanarahanareo tamin'ny Fiainan-tsy hita. Rehefa mandalo ny tondra-drano misamboaravoara, dia ho difotr'izany ianareo. 19 Na oviana na oviana handalovan'izany, dia handifotra anareo izany, ary isa-maraina dia handalo izany ary ho avy andro aman'alina izany. Rehefa azo ilay hafatra, dia hampihorohoro izany. 20 Fa foy loatra ny fandriana raha hitsoranan'ny olona, ary kely loatra ho azy ny firakofana raha handrakofana ny tenany." 21 Hitsangana toy ny Tendrombohitra Perazima i Yaveh; hanaitra ny tenany toy ny tany amin'ny Lohasahan'i Gibeona Izy mba hanao ny asany, ny asany tsy mahazatra. 22 Noho izany ary dia aza maniratsira, raha tsy izany dia ho henjanina ny fatotrareo. Efa nandre lalàna famotehana eto an-tany tamin'i Tompo Yaveh tompon'ny maro aho. 23 Mifantoha ka henoy ny feoko; mihainoa tsara ary henoy ny teniko. 24 Moa ve miasa tany fotsiny ny mpamboly izay miasa tany tontolo andro mba hamafy? Mitombon-doha mandrakariva sy mandravona bainga ny saha ve izy? 25 Rehefa avy nanomana ilay tany izy, moa ve tsy manaparitaka ny voan'ny nigela, mamafy ny komina, mametraka ny vary tritika mitandahatra ary ny vary hordea amin'ny toerana voafaritra, ary ny ampemby eny amin'ny sisiny izy? [Fanamarihana: Ny famantarana ny sasany amin'ireo zava-manitra ireo dia mampisalasala, koa manana dikan-teny isan-karazany ireo fandikàna. Ankoatr'izay, ireo dika-teny sasany dia manome fandikàna samihafa amin'ireto fomba fiteny izay adika ato ireto hoe: "mitandahatra" sy "amin'ny toerana voafaritra", satria tsy azo antoka tsara ireo amin'ny Hebreo. ] 26 Mampianatra azy ny Andriamaniny; mampianatra azy am-pahendrena Izy. 27 Fanampin'izany, tsy velesina amin'ny vy ny nigela, na akodiadia amin'ny komina ny kodian'ny sarety; fa velesina amin'ny fantàka ny nigela, ary amin'ny hazo ny komina. 28 Kosohana atao mofo ny vary nefa tsy manify loatra, ary na dia manaparitaka izany aza ireo kodian'ny kalesiny sy ireo soavaliny, dia tsy manitsaka izany ireo soavaliny. 29 Ireo koa dia avy amin'i Yaveh tompon'ny maro, izay mahafinaritra amin'ny fampianarana ary tsara dia tsara amin'ny fahendrena.