Toko faha 24

1 Indro, hanafoana ny tany Yaveh, handrava izany, hahalao azy ary hampiely ireo mponiny. 2 Ho tahaka izany no ho an'ireo mponina, ny mpisorona; ny mpanompo, ny tompony, mpiasa an-trano; ny tompovaviny, ny mpividy, ny mpivarotra; ny mpanome trosa, ny mpitrosa; ny mpandray tombontsoa, ary ny mpanome tombontsoa. 3 Ho rava tanteraka ny tany ary ho foanana tanteraka; satria Yaveh no efa niteny izany teny izany. 4 Maina sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, mihaosa ny olona malazan'ny tany. 5 Maloto amin'ny alalan'ireo mponiny ny tany satria efa nandika lalàna, nanota ny didy, ary nivadika tamin'ny fanekena maharitra mandrakizay izy ireo. 6 Noho izany dia mandevona ny tany ny ozona, ary meloka ireo mponiny. May ireo mponin'ny tany, ary vitsy sisa no tavela. 7 Maina ireo divay vaovao, malazo ny voaloboka, misento avokoa ireo faly am-po. 8 Mitsahatra ny feo mandrotsirotsin'ny ampongatapaka, sy ny fitabataban'ireo mifaly; mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga. 9 Tsy misotro divay na mihira intsony izy ireo, ary ny toaka dia mangidy ho an'ireo izay misotro izany. 10 Rava ny tanànan'ny fikorontanana; mihidy sy foana avokoa ireo trano rehetra. 11 Misy tabataba noho'ny divay eny an-dalambe; maizina ny haravoana, nanjavona ny fifaliana. 12 Faharavana sisa no eo amin'ny tanàna, ary ny vavahady dia potika. 13 Fa toy izany no ho amin'ny tany rehetra eo amin'ny firenena, tahaka ny hazo oliva voakapoka, tahaka ny fitsimponam-boaloboka rehefa vita ny fiotazana. 14 Hanandratra ny feony sy hiantso ny voninahitr'Andriamanitra, ary hihiaka am-pifaliana avy amin'ny ranomasina izy ireo. 15 Noho izany dia mankalazà an'i Yaveh any atsinanana, manomeza voninahitra ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ao amin'ireo nosy. 16 Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: "Voninahitra anie ho an'ilay marina!" Fa hoy aho hoe: "Efa nihaosa aho, efa nihaosa aho, indrisy! Ny mpamitaka dia nitondra am-pitaka; eny, ny mpamitaka dia tena nitondra am-pitaka tokoa." 17 Aminareo ny tahotra, ny lavaka, ary ny fandrika, ry mponin'ny tany. 18 Izy izay mandositra ny feon'ny fampihorohoroana dia ho latsaka ao an-davaka, ary izy izay miakatra avy ao an-davaka dia ho azon'ny fandrika. Hisokatra ny varavaran'ny lanitra, ary ireo fanorenan'ny tany dia hiozongozona. 19 Ho rava tanteraka ny tany, hitresaka ny tany; hiozongozona mafy ny tany. 20 Hivembena tahaka ny olona mamo ny tany ary hitsingevaeva tahaka ny trano bongo izany. Hivesatra amin'izany ny fahotany ary hianjera izany ka tsy hiarina intsony. 21 Ary amin'izany andro izany dia hanasazy ny miaramilan'ilay avo any ambony, sy ireo mpanjakan'ny tany ety an-tany i Yaveh. 22 Hatambatra izy ireo, gadra ao an-davaka, ary hangina ao am-ponja; ary afaka andro maromaro dia ho voasazy izy ireo. 23 Ary dia ho menatra ny volana, ary ho afa-baraka ny masoandro, satria hanjaka amim-boninahitra ao an-tendrombohitr'i Ziona sy ao Jerosalema, ary manoloana ireo zokiolony i Yaveh tompon'ny maro.