Toko faha 22

1 Fanambarana mahakasika ny Lohasahan'ny Fahitana: Inona no antony nandehananareo rehetra ho any amin'ireo tampon-trano? 2 Ny mba hahenonareo ny tanàna feno tabataba ve, tanàna izay feno firavoravoana? Ny maty eo aminao dia tsy matin'ny sabatra, ary tsy maty tamin'ny ady izy ireo. 3 Ireo mpanapaka anao rehetra niara-nitsoaka, fa voababo tsy nampiasana zana-tsipika izy ireo; izy rehetra dia voababo niaraka, na dia nandositra lavitra aza izy ireo. 4 Noho izany dia hoy aho hoe: "Aza mijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; aza miezaka hampionona ahy mahakasika ny faharavan'ny zanaka vavin'ny oloko." 5 Fa misy ny andron'ny tabataba, fanosihosena, ary fifanjevoana ho an'ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro, ao amin'ny Lohasahan'ny Fahitana, faharavan'ireo mandà, ary ny olona miantsoantso mafy any amin'ireo tendrombohitra. 6 Elama naka ny tranon-jana-tsìpaka, niaraka tamin'ny kalesin'ireo lehilahy sy ireo mpitaingin-tsoavaly ary Kira nanala ny fonon'ny ampinga. 7 Fa ireo lohasaha izay nofidinao indrindra dia ho feno kalesy, ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia haka ny toerany eo am-bavahady. 8 Nanala ny fiarovan'i Joda Izy; ary tamin'izany andro izany ianao dia nijery ireo fitaovam-piadina eo amin'ny Lapan'ny Ala. 9 Nahita ny bangan'ny tanànan'i Davida ianareo, fa maro ireo, ary nanangona ny ranon'ny dobo ambany ianareo. 10 Nanisa ny ankohonan'i Jerosalema ianareo, ary nandrodana ireo trano mba hanamafisana ny mànda. 11 Namboatra fitahirizana teo anelanelan'ireo mànda roa ianareo ho an'ny ranon'ny dobo tranainy. Fa tsy mba nihevitra ny mpamorona ny tanàna ianareo, izay nanomana izany hatry ny ela. 12 Tamin'izany andro izany ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro niantso fitomaniana, fisaonana, fiaratan-doha, ary fanaovana akanjo fisaonana. 13 Fa indro, kosa, ny fankalazana sy ny fifaliana, ny famonoan'omby sy ny famonoan'ondry, fihinan-kena sy fisotroan-divay; aoka isika hisotro sy hihinana, fa ho faty isika rahampitso. 14 Izao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny maro teo an-tsofiko: "Eny tokoa fa tsy havela izany helokareo izany, eny fa na dia ho faty aza ianareo," hoy ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro. 15 Ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro, nilaza izao: "Mandehana mankany amin'ny mpitandrin-draharaha, any amin'i Sebna, izay manapaka ny trano, ary lazao hoe: 16 'Inona no ataonao eto ary iza no nanome alalana anao handavaka fasana ho an'ny tenanao, hanamboatra fasana eny ambony sy handavaka toerana fialana sasatra eny amin'ny vatolampy?''' 17 Indro, Yaveh efa hanipy anao, ry lehilahy mahery, hanipy anao ho ambany; hanitsakitsaka anao mafy tokoa Izy. 18 Hanakodiadia anao tokoa Izy, ary hampisamboaravoara anao ho toy ny baolina makany amin'ny tany malalaka. Any no hahafatesanao, ary ho any koa ireo kalesin'ny voninahitrao; ho tonga henatra ho an'ny tompon'ny tranonao ianao! 19 ''Ho roahiko hiala eo amin'ny raharahanao sy ny toeranao ianao. Haongana ianao. 20 Amin'izany andro izany Aho dia hiantso an'i Eliakima mpanompoko zanaka lahin'i Hilkia. 21 Hampiakanjoako amin'ny akanjo lavanao izy ary hasiako ny fehin-kibonao, ary hafindrako ho eo an-tanany ny fahefanao. Ho rain'ny mponin'ny Jerosalema sy ny ankohonan'ny Joda izy. 22 Hapetrako eo an-tsadriny ny fanalahidin'ny ankohonan'ny Davida; hamoha izy, ary tsy hisy hanidy; hanidy izy, ary tsy hisy hamoha. 23 Hampitoeriko izy, toy ny fihantonan-javatra amin'ny toerana azo antoka, ary ho tonga toeram-boninahitra ho an'ny ankohonan-drainy izy. 24 Hahanton'izy ireo aminy ny voninahitry ny ankohonan-drainy rehetra, ny zanany sy ireo taranany, ny fanaka bitika rehetra avy amin'ireo kapoaka hatramin'ny tavoara rehetra. 25 Amin'izany andro izany_ izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro_ ho esorina ilay fihantonan-javatra amin'ny toerana mafy orina, ho potehina ary ho lavo, ary ny lanja amin'izany dia ho tapahina_ fa Yaveh no niteny.