Toko faha 16

1 Andefaso omby aman'osy ny mpanapaka ny tany avy any Sela any an'efitra, hatrany amin'ny tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona. 2 Tahaka ireo vorona mpirenireny, tahaka ireo akany miparitaka, ka ny vadin'i Moaba dia ho ao amin'ny fintana any amin'ny reniranon'i Arnona. 3 Manomeza hevitra, ampiharo ny rariny; manomeza alokaloka tahaka ny alina amin'ny mitataovovonana; hafeno ireo mpandositra; aza mamadika ireo mpandositra. 4 Aoka honina eo aminareo izy ireo, ry mpitsoa-ponenana avy any Moaba; meteza ho toerana fiafena ho azy ireo amin'ny mpandringana." Fa hijanona ny fampahoriana, ary hitsahatra ny fandravana, ireo izay nanosihosy dia hanjavona amin'ny tany. 5 Hapetraka amin'ny fanekena mahatoky ny seza fiandrianana; ary ny iray avy amin'ny lain'i Davida dia hipetraka ao am-pahatokiana. Hitsara tahaka ny fitadiavany ny rariny izy ary hanao fahamarinana. 6 Naheno ny avonavon'i Moaba izahay, ny fireharehany, ny fihoa-bavany, ary ny hatezerany. Fa ny fireharehany dia teny foana. 7 Ka midradradradra ho an'i Moaba i Moaba_Midradradradra izy rehetra! MisaonĂ  ho an'ny ampempam-boalobok'i Kira-haresa, ianao izay rava tanteraka, . 8 Nihamaina tahaka ireo voalobok'i Sibma ireo sahan'i Hesboma. Ny mpanapaka amin'ny firenena dia nanosihosy ireo safidim-boaloboka izay tonga hatrany Jazera ary niparitaka tany an'efitra. Ireo sampany niely teny ivelany, nandeha manerana ny ranomasina izy ireo. 9 Dia hitomany miaraka amin'i Jazera ho an'ireo voalobok'i Sibma tokoa aho. Hanondraka anao amin'ireo ranomasiko aho, ry Hesbona, sy Elale. Fa teo amin'ireo sahan'ny voa lohataona sy ny fijinjana no namaranako ireo hiakam-pifaliana. 10 Noesorina tamin'ny alan'ny hazo fihinam-boa ny fifaliana sy firavoaravoana; ary tsy misy hira na hiaka ao amin'ny tanim-boaloboka. Tsy hisy na iza na iza hanitsaka divay ao amin'ny famiazana, fa efa natsahatro ireo hiakan'ny iray izay manitsaka. 11 Ka misento tahaka ny harpa ho an'i Moaba ny foko, ary ny ao anatiko ho an'i Kira Hareseta. 12 Rehefa mampiakanjo ny tenany any amin'ny toerana avo i Moaba ka miditra ny tempoliny mba hivavaka, dia tsy hahatanteraka na inona na inona ny vavany. 13 Izany no teny izay notenenin'i Yaveh mahakasika an'i Moaba teo aloha. 14 Miteny indray Yaveh hoe: "Anatin'ny telo taona, dia hanjavona ny voninahitr'i Moaba, na dia maro aza ireo olony,dia ho vitsy ireo sisa tavela ary tsy hisy dikany."