Toko faha 14

1 Hangoraka an'i Jakoba Yaveh; hifidy an'Israely indray Izy ary hamerina azy ireo ao amin'ny taniny. Hikambana amin'izy ireo ny vahiny ary hampifatotra ny tenany amin'ny ankohonan'i Jakoba. 2 Hitondra azy ireo any amin'ny toerany ireo firenena. Dia hitondra azy ireo any amin'ny tanin'i Yaveh ho mpanompo lahy sy vavy ny ankohonan'Israely. Hambabo ireo izay efa nambabo azy izy ireo, ary hanapaka ireo mpampahory azy. 3 Amin'ny andro izay hanomezan'i Yaveh fitsaharana ho anareo amin'ny fijaliana sy ny fangirifiriana, sy amin'ny asa mafy izay takiana ho tanterahinareo, 4 dia hihira izao hira fanesoana ho an'ny mpanjakan'i Babylona izao ianareo hoe: "Endrey vita ny amin'ny mpampahory, tapitra ny fahavinirana mieboebo! [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Tapitra ny fahavinirana lehibe'', ny dikan-teny sasany manao hoe: "Tapitra ilay tanàna volamena'', ''Tapitra ny korontana'', ''tapitra ny fandrafiana'', na ''Tapitra ny fiavonavonana''.] 5 Efa namotika ny tehin'ny ratsy fanahy Yaveh, ny tehim-panjakan'ireo mpanapaka ireo, 6 izay mamely ny vahoaka amin'ny fahatezerana amin'ny fitsofana tsy manam-pitsaharana, izay nanapaka ireo firenena tamim-pahatezerana, tamin'ny fanafihana izay tsy nitsahatra. 7 Mitsahatra ary mandry ny tany manontolo; manomboka mankalaza amin'ny hira izy ireo. 8 Na dia ny hazo kypreso aza dia mifaly aminao mbamin'ireo sederan'i Libanona; hoy ireo: 'Koa satria nahetry ambany ianao, dia tsy nisy mpanapaka hazo niakatra mba hikapa anay.' 9 Miandry fatratra ny hitsena anao ny Fiainan-tsy hita ambany raha mankany ianao. Manangana ny maty ho anao izany, ry mpanjakan'ny tany rehetra, mampitsangana azy ireo eo amin'ny seza fiandrianany, ry mpanjakan'ny firenena rehetra. 10 Hiteny avokoa izy rehetra ary hanao aminao hoe: 'Efa tonga malemy tahaka anay ianao. Efa tonga tahaka anay ianao. 11 Efa nahidina ho any amin'ny Fiainan-tsy hita tamin'ny feom-balihinao ny voninahitrao. Miparitaka eo ambaninao ireo olitra, ary mandrakotra anao ireo kankana.' 12 Akory ny nianjeranao avy any an-danitra, ry kintan'ny andro, zanaky ny maraina! Akory ny hanapahana anao amin'ny tany, ianao izay nandresy ireo firenena! 13 Efa nilaza tao am-ponao ianao hoe: 'Hiakatra ho any an-danitra aho, hanandratra ny seza fiandrianako ambonin'ireo kintan'Andriamanitra aho, ary hipetraka eo an-tendrombohitry ny fiangonana, any amin'ny farany lavitry ny avaratra. 14 Hiakatra ambonin'ireo rahona avo aho; ataoko tahaka ny Andriamanitra Avo Indrindra ny tenako.' 15 Kanefa nahidina tany amin'ny fiainan-tsy hita ianao, tany amin'ny lalin'ny lavaka. 16 Ireo izay mahita anao dia handinika anao ka hihaino anao izy ireo. Hanao izy ireo hoe: 'Moa ity ve ilay lehilahy izay nampangovitra ny tany, izay nampihozongozona ireo fanjakana, 17 izay nanao izao tontolo izao ho tahaka ny efitra, izay nandrava ireo tanànan'izany ary tsy namela ireo gadrany hody?' 18 Ny mpanjakan'ireo firenena rehetra, izy rehetra dia mandry amim-boninahitra, ny tsirairay samy ao amin'ny fasany avy. 19 Nefa ianao dia ho esorina ao amin'ny fasanao tahaka ny ratsan-kazo nariana. Mandrakotra anao tahaka ny fitafiana ny maty, dia ireo izay notrobarana tamin-tsabatra, izay midina any amin'ireo vaton'ny lavaka. 20 Tsy ho alevina tahaka azy ireo ianao, satria efa namotika ny taninao sy namono ny vahoakanao. Ny taranaky ny mpanao ratsy dia tsy ho tononina intsony.'' 21 Omany ho an'ireo zanany ny famonoanao, ho an'ny helok'ireo razambeny, mba tsy hitsangana izy ireo ka haka ny tany ary hameno izao tontolo izao amin'ireo tanàna. 22 ''Hitsangana hanohitra azy ireo Aho''—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. Ho foanako hiala amin'i Babylona ny anarana, ny taranaka, ary ny harena''—izany no fanambaran'i Yaveh. 23 ''Hataoko ho ao amin'ny fananan'ireo vorondolo ihany koa izy, sy ao amin'ireo dobon-drano, ary hofafako amin'ny kifafan'ny fandringanana izy''—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. 24 Efa nianiana Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Araka ny efa nokasaiko tokoa, no hitranga; ary araka izay efa nokendreko, dia izany no ho izy: 25 Ho potehiko ao amin'ny tany ireo Asyriana, ary hitsahiko amin'ny tongotra eo amin'ireo tendrombohitro izy. Dia ho esorina hiala amin'izy ireo ny ziogany ary hiala eo amin'ny hatok'izy ireo ny enta-mavesany.'' 26 Izany no fikasana izay nokasaina ho an'ny tany tontolo, ary izany no tanana izay nasandratra ho an'ireo firenena rehetra. 27 Fa efa nikasa izany Yaveh Tompon'ny maro; iza no hahasakana Azy? Misandratra ny tanany, ka iza no hampihemotra izany? 28 Tamin'ny taona izay nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nahatongavan'izao fanambarana izao hoe: 29 Aza mifaly, ianareo ry Filistina rehetra, fa tapaka ny tsora-kazo izay namely anareo. Fa avy ao amin'ny fakan'ny bibilava no hivoahan'ny menarana, ary ny haterany dia ho bibilava mirehitra manidina. 30 Hampihinana ireo ondriny eo amin'ireo fihinanam-biloko ny lahimatoan'ny mahantra, ary handry amim-pilaminana ny ory. Hovonoiko amin'ny mosary izay hamono ny sisa velona aminareo ny fakanareo. 31 Midradradradà, ry vavahady; mitomania, ry tanàna; ianareo rehetra dia hiempo avokoa, ry Filistia. Fa avy ao avaratra no hiavian'ny rahon-tsetroka, ary tsy misy miala eo an-daharany. 32 Koa ahoana ary no hamalian'ny olona ny irak'izany firenena izany? Fa hitan'i Yaveh i Ziona, ary ao aminy no hahitan'ny ory amin'ny olony fialofana.